Actualités

Hentitra ny MFM Aza anaovana mizana tsindrian’ila ny Filoha Ravalomanana


  • Alatsinainy 17 Novambra 2014

Raha nanohy ny ampamoaka nataony ny Sekretera Jeneralin’ny MFM Rakotovazaha Olivier tamin’ny sabotsy 15 novambra teo amin’ny kianja Magro Behoririka dia ny fisian’ilay Jeneraly Frantsay tao ambadiky ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 no noresahany.

Jeneraly Frantsay mpanongam-panjakana

Ampatsiahivina fa ny resaka “Air Madagascar” niniana natao bankirompitra satria noeritreretin’ny mpitondra tamin’ny fotoan’androny hamidy amin’ny tsy miankina no nifantohan’ny ampamoaka nataony talohan’ny sabotsy. Nisy orinasa hafa nandray an-tanana ny fivarotana ny “Billet” teo amin’ny toeran’ ny Air Madagascar tamin’ny 2002  tany Paris tamin’ny naha Tale Jeneralin’ny “Air Madagascar” ny Tale Jeneralin’ny ACM ankehitriny, hoy ny Minisitry ny Fitaterana teo aloha Rakotovazaha Olivier. Fa mikasika ilay Jeneraly Frantsay indray dia nomarihany fa voatanisan’ireo miaramila mbola migadra any Tsiafahy ny fisian’io manamboninahitra jeneraly Frantsay io tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo na tsy notononiny anarana aza. Nalefa nitsoaka an-tsokosoko io Jeneraly Frantsay io satria tafiditra lalina tamin’ny fanonganam-panjakana teto, “hoy Rakotovazaha Olivier. Ndao hotakiantsika ny hitsarana an’io Jeneraly Frantsay io toa an’i Bob Denard nanongana an’ny Filoha Ali Soilih tao amin’ny Nosy Kaomoro, hoy izy.

Mizàna tsindrian’ila

Raha fidirana an-tsokosoko no niampangana an’ny Filoha Ravalomanana dia nofongarin’ny Fitondrana ankehitriny ny andininy 45 amin’ny tondrozotra raha notakian’ny iraky ny SADC ny fampiharana ny andininy 20 sy ny tokony hanaovana ny fampihavanam-pirenena. Aza anaovana mizana tsindrian’ila ny Filoha Ravalomanana, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny MFM fa tonga teto Madagasikara ny sesitany politika hafa toa an’ny Filoha Ratsiraka, ny Praiministra Tantely Andrianarivo sy ny Praiministra Lefitra Pierrot Rajaonarivelo  fa tsy nampiharana ny andininy faha-45 amin’ny tondrozotra. Efa azo lazaina ho fenitra arahina “jurisprudence” izany ho an’ny Filoha Ravalomanana. Raha mbola miziriziry ny mpitondra ankehitriny ny amin’ny fampiharana ny andininy faha-45 dia andao isika vahoaka hitaky ny hanaovana fanadihadiana ireo olona 109 izay nolazain’ny Vaomieran’ny Filaminana sy Fandriampahaleman’ny Vondrona Afrikanina fa nikotrika fanonganam-panjakana teto sy ny raharaha 26 Janoary sy 7 Febroary 2009, ka atao mihitsy ny fitsarana. Ny Filoha Ravalomanana rahateo manaiky ny hotsaraina amin’ny raharaha niampangana azy, hoy ihany izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT