Actualités

Hentitra ny Kaominina “Sazio ary izay nivarotra ny zaridainan’Antaninarenina”


  • Talata 26 Febroary 2019

Tsy nivarotra, tsy mivarotra ary tsy hivarotra tany mihitsy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), tarihan’ny ben’ny tanàna, Lalao Ravalomanana, hoy ny valin-kafatry ny CUA omaly eo

 

 

anatrehan’ny filazana fa ny CUA no nivarotra ny zaridainan’Antananinarenina. Tsy ny zaridaina etsy Antaninarenina ihany no voakasik’izany fa izay mety ho tany eto an-dRenovohitra. Tsy maintsy mandalo amin’ny Filan-kevitra Monisipaly fa tsy ny ben’ny tanàna sy ny mpanatanteraky ny Kaominina akory no tonga dia manapaka, raha misy tokoa ny varotra tahaka izany. Araka ny fanadihadiana nataon’ny CUA, dia namidy tokoa io zaridainan’Antaninarenina io saingy efa tamin’ny taona 1998, araka ny fanapahana N°14 bis/98/CUA tao amin’ny Filankevitra Monisipaly tamin’izany. Ben’ny tanàna tamin’izany i Tompokolahy Guy Willy Razanamasy, sekretera jeneralin’ny kaominina Rtoa Lalatiana Ravololomanana, filohan’ny filankevitra monisipaly dia i Lalaina Berthnès. Nipoitra indray ity raharaha ity nanomboka tamin’ny taona 2018 noho ny fisian’ny taratasy famindrana tompo (mutation) tandrifin’izany. Nisy ny didim-pitsarana tamin’ny 4 oktobra 2018 nanapaka fa miala eo amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny Ofisim-paritry ny fizahantany na ny ORTANA sy ny CUA, ka rava koa arak’io didy io ny fifanarahana teo amin’ny ORTANA sy ny CUA. Ny 27 desambra 2018 anefa vao nahafantatra io didim-pitsarana io ny CUA, ka nampakatra fitsarana ambony ny 3 janoary 2019. Ny 15 janoary 2019, nisy ny fitsarana ady maika momba ity raharaha ity, nivoaka ny didy tamin’ny 23 janoary 2019 nilaza fa tsy mitombina ny fitorian’ny CUA sy ny ORTANA. Izao fisakanana nataon’ny CUA teny amin’ny Fitsarana, ny hahazoany milaza ho tompon’ity zaridainan’Antaninarenina ity, dia midika fa mitana hatrany ny tokony haha vakoka ny zaridainan’Antaninarenina ny CUA, tarihan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Miantso ny fiadidiana ny tanàna ny hanaovana fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity, ary hanasazy ireo tompon’andraikitra momba ity raharaha ity. Zary tratry ny enjika, tahaka ny natao tamin’ny raharaha CEG Analamahitsy ny mpitantana ny CUA, izay mitaky ny marina ka tsy hisian’ny fanasoketana be fahatany.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT