Nafana ny toe-draharaha teny amin'ny Villa La Piscine omaly. Siotsioka sy kiririoka ny tao ivelany nahitana ireo andian'olona mitaky ny hamoahana an-dRamatoa Claudine Razaimamonjy.
Tazana nanentana teny an-toerana ny senatera Riana Andiamandavy VII. Efa niatrana niambina teo ny mpitandro ny filaminana nirongo basy. Tao anaty birao kosa dia nitondra valin-kafatra ny Bianco manoloana ny fanambarana latsak'alina nataon'ny minisitry ny fitsarana Charles Andriamiseza milaza tsy fanajana ny lalàna.
Hamafisinay fa manaraka ny didy aman-dalàna avokoa ny fizotry ny asa atao eto amin’ny Birao, hoy ny tale jeneraly Louis Andriamifidy. Mikasika ny fanambarana nataon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, minisitry ny fitsarana afak’omaly tamin’ny 11 ora alina, izay nilatsaka toy ny varatra tokoa dia heverinay fa voafitaky ny mpisolovavan’ny fiarovana izy. Io mpisolovava io dia miandany amin’ny olona arovany, hoy ny Bianco. Ny minisitra rahateo tsy nanao fanamarinana na nanontany vaovao tany amin’ny Bianco, mba nahafahana namelabelatra taminy ny fizotry ny raharaha mialoha ny nanaovany iny filazana iny. Azo adika izany fa nitongilana tany amin’i Claudine Razaimamonjy sy ny mpisolovava azy ny minisitry ny fitsarana, izay tsy nihaino afa-tsy feon-dakolosy tokana, ka mampametra-panontaniana hoe mbola mendrika ny ho minisitry ny fitsarana ve ny olona manao fahadisoana goavana toy izany ? Nanamafy ny teny Ambohibao fa nahazo fitarainana dimy avy amin’olon-tsotra sy tatitra iray mahakasika ahiahy famotsiam-bola avy amin’ny SAMIFIN ny BIANCO mahakasika an-dRamatoa Claudine Razaimamonjy. Voatery nosamborina izy rehefa tsy namaly ny fiantsoana am-panajana nifanesy nomena azy. Natao andrimaso voalohany izy mikasika ny raharaha nanaovan’ny biraom-paritra Antananarivo fanadihadihana azy. Tapitra afak’omaly ny 48 ora nitazoman’ny Biraom-paritry ny Bianco Antananarivo azy ary nampahafantarina azy tamin’ny « Proces-Verbal » izany. Omaly ihany dia tonga teto Antananarivo ny mpanao fanadihadihana maromaro avy any Fianarantsoa nitondra ny antontan-taratasin’ady miisa 3 mahakasika azy, ka nisokatra indray ny 48 ora vaovao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.