Actualités

Henjehina fatratra i Mbola Rajaonah Nosavain’ny manampahefana ny tranony


  • Zoma 23 Novambra 2018

In-droa nampanantsoina tany amin’ny Bianco ny mpandraharaha Mbola Rajaonah tompon’ny vondron’orinasa RLM Communication.

Omaly vao maraina tokony ho tamin’ny 8 ora dia nisy ny fisavana ny tranony teny Ambohimahitsy, izay naharitra adin’ny 7. Noho ny taratasy fahazoan-dalana misava na “mandat de pérquisition” navoakan’ny “Procureur” eo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC etsy 67Ha no voalaza fa nanaovana izany. Tsy niteny ny manampahefana fa nosavainy hatrany anaty kiraro sy ny lalimoaran’ny ankizy, fa toa taratasy no tena tadiaviny, raha ny nambaran’ny mpisolovava azy, ny Maitre Eric Rafidison. Ny fitoeram-bola na ny “coffre” izay tsy azo sokafana raha tsy eo ny tompon-trano satria tsy tao i Mbola Rajaonah dia nohidiana na tsy azo sokafana aloha na nampiana “scéllage”. Tsy azo adika ho misy zavatra tsy ara-dalàna avy hatrany izany, hoy kosa ny mpisolovava azy. Nantsoina avokoa ny mpanofa trano manodidina ary noraisina ny mombamomba azy ireo, izay tsy fantatra ny antony. Atoa Mbola Rajaonah tsy manana na inona na inona hafenina fa iharan’ny karazana fampihorohoroana amin’izao fotoana izao raha ny fahitako azy, hoy hatrany ny mpisololovava azy, izay milaza fa ho hita eo ny tohiny. Tsy marina kosa ny filazana sy ny resaka naely omaly, fa nosamborina ny mpandraharaha Mbola Rajaonah. Tombanan’ny maro ho noho ny fanohanany ny kandida Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana no anton’izao toe-javatra izao.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT