Actualités

Henan’omby 10.000 Ar ny kilao ary tsy maintsy mbola hiakatra


  • Talata 12 Janoary 2016

Anisan’ny nanamarika ny fiakaran’ny vidin’entana mahery vaika teny an-tsena tamin’ity taona 2016 ity ny fiakaran’ny vidin’ny henan’omby.

 

Tafakatra  10.000  Ar mantsy ny iray kilao ankehitriny, ny  nofon-kena sy ny toton-kena no tena voakasika. Mbola  8.000 Ar mahery kosa ny mifangaro miaraka amin’ny taolana raha efa 10.000 Ar tsy latsaka ny mifantina ny fanangany. Araka ny fanadihadiana natao tamina mpivarokena etsy amin’ny pavillon Analakely dia efa nanomboka tamin’ny volana septambra taona 2015 no niakatra ny vidiny  saingy nandeha miandalana izany no tsy dia nisy nahatsikaritra ihany koa. Antony dia noho ny havitsian’ireo omby vonoina miakatra eto an-drenivohitra izay tsiahivina fa mety tsy hisy intsony mihitsy aza noho ny fisaonana hataon’ireo zanak’Antandroy mivarotra omby manerana ny faritra maro, nanatanteraka fisaonana nanomboka ny sabotsy lasa teo. Nanambara ireo mpivarokena fa tsy maintsy hiakatra ny vidiny  eny an-tsena ato ho ato na tiana na tsy tiana. Ho an’ireo mpanao hotely sy mpivarotra hani-masaka moa dia  fantatra fa ny isan’ny hena eny an-dovia no tsy maintsy hahenan’izy ireo noho ny tahotry ny ho very ireo mpanjifa  efa mahazatra amin’izao fiandohan’ny taona izao.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT