Actualités

Helson Brisson Erafa na i Jubé Ampy izay fijaliam-bahoaka izay


  • Alakamisy 23 Oktobra 2014

Nahomby ny dinika natrehanay solombavambahoaka 4 mianadahy nisolotena ny parlemanta malagasy tany amin’ny fivoriambe nandinihana ny resaka fanajana ny zon’olombena aty Afrika sy maneran-tany tamin’ny ankapobeny izay natao tany Egypta ny 23 sy 30 septambra lasa teo

, hoy ny solombavambahoaka filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritany Toliara izay nitarika ny delegasiona tamin’izany. Nohararaotina indrindra, hoy izy, tamin’ny fisian’ireo solontenan’ny firenena maghrebianina vitsivitsy tonga nanatrika ity fivoriana ity ny niresahana manokana ny mahazo an’ireo vehivavy teratany malagasy hiharan’ny tsy fanajana ny fifanarahana taty am-boalohany ary niharan’ny tsindry hazo lena mihitsy aza ny ankamaroany rehefa tonga tany an-tanin’olona tany.  Vahaolana tokana no natolotra ary nifanarahana tany an-toerana, hoy ny depiote Jubé, dia ny hijerena akaiky  ny fifanarahana dieny aty am-piaingana sy ety am-piandohana. Mbola hitohy amin’ny faha-29 novambra indray moa ity fivoriana ity izay hotanterahina any Marrakech any Maroc kosa amin’izay. Ho an’ny raharaham-pirenena eto an-toerana dia nanambara ity solombavambahoaka avy any Toliara II ity fa tsy fotoanan’ny fanoherana ny fitondrana izao vanim-potoana iainantsika izao fa mba ampy izay ny fijaliam-bahoaka izay. Andao hihavana sy haneho firaisankina ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy nahavita ny andraikitra tokony ho nosahaniny anefa ny FFM hatreto ka angatahina ny fandravana azy tsy misy hatak’andro.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT