Nandefa taratasy fahazoan-dalana any amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena tamin’ny alalan’ny Lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny tafika Général de division Rakotonirina Théophile Justin omaly.
Fangatahana fampiasana ny parking eny amin’ny kianjan’Alarobia sy ny eny amin’ny Coliseum Antsonjombe mba hametrahana angidimby iandraketana ny fitandroana filaminana mandritra ny fandalovan’ny Papa François ny 6-10 septambra ho avy izao io. Ny tanànan’Antananarivo Renivohitra rahateo no mampiantrano azy, ka anton’izao fiaraha-miasa izao. Ny teo anivon’ny tanànan’Antananarivo rahateo moa dia efa naneho fa tsy izy ireo mihitsy no hisakana na hanome fahafaham-baraka ho an’ny vahoaka Malagasy amin’izao fandraisana vahiny manan-kaja izao, ka heverina fa tsy hisy ny olana, ary mariky ny fifanajana sy fifanomezam-boninahitra eo amin’ny tafika Malagasy sy ny CUA iadidian’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana izao. Hirariana ny hiravonan’ny disadisa mety niseho satria tsy hisy hanana tombontsoa amin’ny lonilony mihitsy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.