Actualités

HCC Mamolavola lalŕna fampiharana fanambaram-pananana


  • Zoma 09 Janoary 2015

Ilaina ny fanambaram-pananan’ireo mpikambana ao amin’ny andrim-panjakana ahitana ny filohan’ny Repoblika sy governemanta, ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona ary ny Fitsarana Avo momba ny Lalŕmpanorenana eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalŕmpanorenana

araka ny voalazan’ny andininy faha-40 sy 41 ao amin’ny Lalàna fototry ny Repoblika faha-IV. Tsy nivoaka anefa hatramin’izao ny lalàna fampiharana ireo andininy roa ireo ka mbola mampanan-kery ny didim-panjakana laharana faha-2004-983 tamin’ny12 oktobra 2004 andininy faha-3 milaza ny fanambaram-pananana eny anivon’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly ao anatin’ny 3 volana aorian’ny fandraisana andraikitra ka anisan’izany ireo minisitry ny governemanta Kolo Roger. Olom-panjakana 6 monja kosa hatramin’izao no mpanara-dalàna ka nanao fanambaram-pananana teny amin’ny HCC dia ny filoha Rajaonarimampianina Hery, ny minisitra Andriantiana Ulrich ary ireo solombavambahoakan’i Madagasikara Randrianarisoa Guy Rivo, Randriamandimbisoa Félix, Randriamampianina Ramilison ary Rasolonomenjanahary Fidelis. Am-periny amin’ny famolavolana lalàna vaovao fampiharana ny fanambaram-pananana moa ankehitriny ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay natao iadiana amin’ny kolikoly. Andrasana amin’ny enim-bolana faharoan’ny taona 2015 ny fivoahany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT