Actualités

Hatao ny fampihavanana Misy mikasa handoro ireo Rova ?


  • Alakamisy 06 Novambra 2014

Mihaodihaody amin’ireo rova eto amin’ny manodidina an’Antananarivo ny afo. Tranga roa mampiahiahy no niseho tato anatin’ny herinandro. Voalohany ny teny Ilafy, ny zoma 31 oktobra 2014 lasa teo

Efa nandady namonjy ny Rova ny afo, saingy nalaky voafehy noho ny fiaraha-mientan’ny Fokonolona. Omaly indray dia teny Ambohidratrimo. Niainga tany amin’ny ilany atsinanan’ny Rova ny afo tokony ho tamin’ny dimy ora hariva, ary nandady niakatra saingy nalaky voafehy tsy voakasika ny Rova rehefa nifamonjen'ny Fokonolona sy ny Ben'ny tanàna. Tonga teny an-toerana ihany koa ny mpamonjy voina sy ny minisitry ny vakoka. Sao mba tsy kisendrasendra intsony ity raharaha ity ? Ilafy tamin’ny herinandro, izao indray Ambohidratrimo. Ny lamina fiarovana ireny vakoka ireny moa dia tsy misy. 19 taona lasa izay, may kila hotohoto tao Anatirova, ka potika tamin’izany ny Rovan’i Manjakamiadana. Efa notandindonin-doza ny Rovan’Ambohimanga. Tsy resahina intsony ny tranga niseho tany amin’ny faritra. Vakoka mitahiry ny tantaram-pirenena, sy ny maha izy azy ny Malagasy anefa ny Rova. Tombontsoan’iza raha sanatria ka ho tapitra may ? Mampieritreritra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT