Rahaminoarisoa Veronique, renim-pianakaviana manan-janaka roa vavy monina eny Ilaivola Ivato no niharan’ny herisetram-badiny vokatry ny hasarotam-piaro.
Noho io dia nisara-panambadiana mihitsy izy mivady efa-bolana lasa izay, araka ny fitantaran’ilay ramatoa sy ny reniny. Niverina anefa ilay rangahy ny 4 janoary teo, hampody ity vadiny saingy tsy nety intsony ilay ramatoa noho ny fijaliana nahazo azy. Tsy faly tamin’izany ilay rangahy ka dia notsindroniny ny antsy teo ambany maso havanan’i Veronique ary voatery nozairina. Tsy nijanona teo fa mbola niverina indray ilay rangahy ny sabotsy 30 janoary. Nilaza tamin’izy mianaka indray izy fa hamono tena ka nandohalika teo afovoan'ny trano. Nitondra ranon-javatra tamin’ny tavoahangy ilay rangahy, nararany tao anaty zinga io ary niankohoka toy ny nivavaka teo ampandoalehana. Tampoka teo anefa dia natobak’ilay rangahy tany amin'ilay vadiny ilay ranon-javatra. Nitsovaka ny tarehin’i Veronique, nipitihany koa ny reniny sy ny iray amin’ny zanak’izy ireo vavy, izay voa teo ambany masony. Teo vao fantatra fa hay asidra ilay ranon-javatra tao anaty tavoahany nentin’ilay rangahy niankohofany nivavahana. Miantso ny malala-tanana afaka manampy i Veronique (033 59 125 90) satria mety tsy ho afa-miasa intsony izy noho izao fahavoazana mahazo azy izao. Efa nosamborin’ny zandary, ary nidoboka any Tsiafahy ny fiandohan’ny herinandro teo ilay rangahy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.