Miparitaka eny an-tsena ary tena mahazo vahana mihitsy indray amin’izao fotoana izao ireo karazana harona plastika tsy miloko sy tantera-pahazavana, izay tsy misy fivimbinana azy.
50 Ar ny vidin’ny iray mahazaka vary dimy kapoaka raha 3.500 Ar kosa ny iray “paquet”. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina mpivarotra iray dia efa tamin’ny volana novambra tany ho any no nisian’ity karazana harona plastika tsy misy fivimbinana ity, saingy izao vao tena mahazo vahana eny an-tsena. Ny mpivaro-kena sy ny mpivarotra enta-madinika no tena mampiasa azy, amin’ny ankapobeny izay marihina fa amin’ireo karazany tsy levona izay tena manimba ny tontolo iainana. Efa saika zatra amin’ny fampiasana ity harona ity avokoa ny mpanjifa rehetra, hitondrana vary, siramamy, voamaina ka nanadino tanteraka ilay harona plastika matevina mihoatra ny 50 microns izay hany tokana azo ampiasaina. Rehefa nanontaniana ny mikasika izany moa ny teo anivon’ny minisiteran’ny varotra dia tsy nisy ny valin-teny mahafa-po azo. Ny hany fantatra dia toa tsy misy intsony indray ny fanaraha-maso ireo mpivarotra harona plastika raha tena nankalazaina be teo aloha, niampy ny famoahana ilay lalàna mampigadra an-taonany maro sy fandoavana lamandy ho an’ireo izay tratra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.