Misedra olana tanteraka ireo mpivarotra harona plastika eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao.
Hatramin’ny faran’ny volana martsa lasa teo, fe-potoana farany nahafahana nivarotra ireo karazana harona plastika latsaky ny 50 microns mantsy dia fantatra fa saika nampiakatra ny vidin’ireo harona plastika mihoatra ny 50 microns avokoa, izany hoe ireo azo hampiasaina ireo orinasa mpanodina izany eto amintsika. 150 Ar no nakana ny iray teo aloha, hoy ny mpivarotra iray tetsy amin’ny pavillon Analakely, tafakatra 300 Ar anefa ankehitriny ary tsy maintsy mivarotra 400 Ar ka tsy misy mividy intsony ny mpanjifa. Tsy vitsy amin’ireo mpivarotra harona plastika ireo no very asa fivelomana. Aleon’ny olona, hoy ny raim-pianakaviana mpivarotra iray mividy ireo karazana harona vita amin’ny lamba 1.000 Ar azo sasany sady ela vao simba toy izay hividy harona plastika iray 400 Ar, mora simba nefa eny an-tsena ihany no azo hampiasaina. Miantso ny fanjakana hitady vahaolana hahafahana manolo ny harona plastika 100 sy 200 Ar teo aloha ho zavatra hafa ireo mpivarotra ireo hanohizany ny asa fivelomany. Mikasika ireo harona plastika latsaky ny 50 microns manokana dia fantatra fa efa misy ny ekipa manokana manara-maso izany eny anivon’ny orinasa sy ny tsena ankehitriny asa iarahan’ny minisiteran’ny indostria sy ny minisiteran’ny varotra ary ny minisiteran’ny tontolo iainana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.