Mitohy ny fanentanana amin’ny tsy fahazoana mampiasa intsony ireo harona plastika latsaky ny 50 microns. Ireo harona tsy lena mihoatra io refy sy habe io ihany sisa nanomboka tamin’ny voalohan’ny volana oktobra 2015 teo no azo ampiasaina eto Madagasikara, araka ny didim-panjakana laharana 2014-1587 tamin’ny 7 oktobra 2014.
Hiditra amin’ny fanasaziana kosa ny governemanta amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana manomboka amin’ny herinandro. Tsy marina ny filazana fa mamono ireo orinasa mpanamboatra harona tsy lena sy kitapo plastika ny fampiharana io fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana io satria mbola azon’izy ireo atao tsara ny mamokatra ireo harona matevina izay tsy mitera-doza ho an’ny tontolo iainana. Eo ihany koa ny fampirisihana ny famokarana ireo karazana harona azo avy amin’ireo akora hita eto amintsika toy ny harefo, penjy, herana, satrana, zozoro sy ny maro hafa. Ilaina fahazoan-dalana famokarana, fivarotana, fanaraham-penitra ary fanjifana kosa ny fanapariahana ny harona «biodégradable» eto Madagasikara. Voakasik’izany avokoa moa na ireo orinasa mpamokatra na ireo mpivarotra izany manerana ny nosy, araka ny fanamarihana avy amin’ny minisitera mpiahy ny Varotra sy ny Fanjifana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.