Olona enina no voasambotry ny polisin’ny Boriboritany fahafito etsy 67 ha ny alakamisy lasa teo, tafiditra ao anatin’ilay hetsika entina hamongorana ny mpangarom-paosy sy ny mpanao sinto-mahery eny an-toerana.
Tahirinjahary vao 12 taona monja monina eny Ambodirano Ampefiloha sy Tina Martio, 13 taona monina eny Andranomanalina no kely indrindra, voasambotra teo am-panaovana sinto-mahery teo akaikin’ny boutique Orange, tokony ho tamin’ny 12 ora sy 15 mn antoandro. Michael Patrick 15 taona, monina eny Andohatapenaka I kosa dia voasambotra teo am-panendahana teo akaikin’ny Arrêt Bus Vatobe niampy an’i Nicolas, 35 taona monina eny Ampasika Avaratra sy Fabien, 24 taona monina eny Ambodin’Isotry samy voasambotra teo am-pangaronam-paosy teo akaikin’ny Mada Hotel avokoa. I Fréderic, 19 taona monina eny Andavamamba kosa dia voasambotra teo am-panendahana teny amin’ny Coum 67 Ha ka vola roa arivo sy roalina Ar no lasany. Natolotra ny fitsarana omaly izy enin-dahy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.