Raharaha maika ity niantsoana anay hotapahina amin’ny fivoriana tsy ara-potoanan’ ny solombavambahoaka ity ka tonga izahay ary vonona, hoy ny depioten’i Soavinandriana Harinosy Rabenerika Charlot
. Tena tsara izao fifampiresahana eo amin’ny samy tompon’andraikitra izao, hoy izy, fa ianareo mpampahalala vaovao no efa manizingizina fa tafiditra anaty fahasahirana ny vahoaka malagasy ka tsy tokony hatoritoriana mihitsy. Maromaro ireny zavatra nambaran’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny kabariny teo ireny toy ny fifanolanana teo aminay samy solombavambahoaka, izahay sy ny mpanatanteraka … Tokony ho natao tamin’ity koa ny fandinihana ny LFR nefa ity izany no laharam-pahamehana fa mbola azo dinihana afaka tapa-bolana any anatin’ny fivoriana ara-potoana ho avy io. Roa taona latsaka izao izahay rehetra no teo amin’ny fitondrana, hoy ity solombavambahoaka ity, aleo dia tsorina fa tsy ampy ny vita fa tsy hoe tsy nisy tsy akory. Tena namatrapatratra ny vahoaka nahita anay nametraka ny ho ben’ny tanàna indray tamin’ny fifidianana farany teo fa nolazainy hoe io indray ianareo nefa ny lalana nampanantenaina aty aminay tsy vita akory, ny sekoly sy hopitaly tsy mitsangana, ny barazy tsy vita nefa ho avy ity ny fotoam-pambolena … Marina fa mpanao lalàna izahay fa mahafinaritra izany tenin’ny vahoaka izany fa hanitsiana ny dia fa ny mifandambolambo lava eo dia tena fanipazana hoditr’akondro mazava izao. Raha ny amin’ilay « mémorandum » aloha dia tsy mbola hitanay Mapar nefa raha tonga eo izany azo hifampiresahana sy hifandresen-dahatra tsara eo aminay samy izahay tahaka ny nanaovana fifidianana kaominaly teo ihany ary izahay koa mbola mitsinjo ny 2018 e !
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.