Nandiso fanantenana hatrany ny tontolo ara-toekarena Malagasy tao anatin’ny 50 taona mahery niverenan’ny fahaleovantenany, araka ny tatitra fanadihadiana navoakan’ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny volana jona 2013. Tena ambany ny hari-karena ary raha nahitana fisondrotany aza izany dia mitanila ny fitsinjarana ka tsy nisy akony tamin’ny fampihenana ny fahantrana
. Anisan’ireo firenena 19 tsy nitsaha-nitotongana ny toekareny i Madagasikara tao anatin’ny 20 taona farany. Azo itarafana izany ny lafiny famokarana anatiny isam-batan’olona izay 465 dolara monja. Firenena sokajiana ho milamina mihoatra an’i Liberia sy ny Repoblika Demokratikan’i Congo izay rotiky ny fifandonana mahery vaika tao anatin’ny taona maro i Madagasikara. Nitombo hatrany amin’ny 30% mahery anefa ny hari-karena liberianina ary maherin’ny 15% ihany koa ny firenena RDC tao anatin’ny 5 taona farany. Ny mifanohitra amin’izay kosa ny zava-misy eo anivon’ny fiaraha-monina Malagasy satria nilatsaka mitovy ny tamin’ny taona 2003 ny vola miditra isam-batan’olona eto Madagasikara tamin’ny taona 2012. Tsara ny manamarika fa niabo 50% na fitomboana hari-karena avo roa heny farafahakeliny no hita tamin’ireo firenena miisa 136 nanomboka tamin’ny taona 1980.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.