sy manakana ny fitrandrahana ireo harena voajanahary eto Madagasikara ny fitondram-panjakana malagasy, hoy ny minisitry ny Tontolo iainana, Ekolozy ary ny Ala Ramparany Anthelme. Ilaina kosa anefa ny fanajana ireo lalŕna mifehy ny tontolo iainana toy ny fikarohana paikady hanampiana ireo
Tsokajin’olona mivelona amin’ny fitrandrahana ireo harena voajanahary. Tanjona ny fanomezana asa azy ireo amin’ny alalan’ny fampitomboana ny hari-karena sy ny fiarovana ireo harena voajanahary. Tsy lavina ny maha-harena azo havaozina azy ireo saingy tsy maintsy sorohana ny fitrandrahana be fahatany mba hampaharitra hodimbiasan’ireo taranaka mandimby. Ambany ny fari-pahalalan’ny vahoaka Malagasy eo amin’ny resaka fikajiana ny tontolo iainana ka mahatonga ny taha ambony amin’ny faharinganan’izy ireo eto amintsika, hoy ny minisitra mpiahy. Vahaolana ny fifampizarana traikefa amin’ireo firenen-kafa eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny tontolo iainana toy ny atrikasa hampiantranoan’ Madagasikara eny Ankorondrano hatramin’ny zoma ho avy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.