Actualités

Harena voajanahary Trandrahana ao anatin’ny fanajana ny tontolo iainana


  • Alarobia 21 Janoary 2015

Tsy manakana ny fitrandrahana ireo harena voajanahary eto Madagasikara ny fitondram-panjakana malagasy, hoy ny minisitry ny Tontolo iainana, Ekolozy ary ny Ala Ramparany Anthelme

 

. Ilaina kosa anefa ny fanajana ireo lalàna mifehy ny tontolo iainana toy ny fikarohana paikady hanampiana ireo sokajin’olona mivelona amin’ny fitrandrahana ireo harena voajanahary. Tanjona ny fanomezana asa azy ireo amin’ny alalan’ny fampitomboana ny hari-karena sy ny fiarovana ireo harena voajanahary. Tsy lavina ny maha-harena azo havaozina azy ireo saingy tsy maintsy sorohana ny fitrandrahana be fahatany mba hampaharitra hodimbiasan’ireo taranaka mandimby. Ambany ny fari-pahalalan’ny vahoaka Malagasy eo amin’ny resaka fikajiana ny tontolo iainana ka mahatonga ny taha ambony amin’ny faharinganan’izy ireo eto amintsika, hoy ny minisitra mpiahy. Vahaolana ny fifampizarana traikefa amin’ireo firenen-kafa eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny tontolo iainana toy ny atrikasa hampiantranoan’ Madagasikara eny Ankorondrano hatramin’ny zoma ho avy izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT