Actualités

Harena tsy hita noanoa Volamena 500 taonina ny ao Betsiaka-Ambilobe


  • Alatsinainy 13 Mey 2019

Hatry ny ela no efa nisy ny fikarohana ka voaporofo ara-tsiantifika fa efa misy “galerie” na tonelina ambanin’ny tany anaty lavabato efa namboarin'ny Frantsay tao Betsiaka Ambilobe tany amin’ny taona 1918.

 

 Nenti-nitrandraka volamena izy io, ary efa nahazoana 1 taonina, raha ny resaka mandeha.Nisy tarehimarika azo izay milaza fa volamena milanja 7285 kilao no efa azo tao amina kaominina 3 mifanakaiky tamin’i Betsiaka teo anelanelan’ny 1906 ka hatramin’ny 1934 ka naondrana tany ivelany. Nototofana ny vavan’ny tonelina taty aoriana. Voalaza fa nisy fikarohana natao indray taty amin’ny taona 2013, ary mbola manamafy ny fisian'ny volamena maro be manodidina ny 500 taonina ao Betsiaka io, efa vita daholo ny « forage » sy ny « essai sismique » ary ny « carottage » rehetra, mitrandraka sisa atao, izany hoe efa tena voaporofo fa tena misy volamena tsy hita noanoa ao. Voasokajy ho anisan’ny tsara kalitao, indrindra eto Madagasikara ny volamena any amin’ny faritra Ambilobe, Betsiaka, Daraina, Maevatanana, Tsaratanana,… ka io efa iaraha-mahita ny fidirana an-tsehatry ny sinoa amin’ny fitrandrahana amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana harifomba. Io fa amboarina ny lalan’Ambilobe, ary ny 8 martsa 2018 nitsidihany tany an-toerana ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina, dia toa efa nanipy teny mahakasika ny fisian’ny orinasa matanjaka miisa 6 amin’ny sehatry ny volamena, ka hatao manara-penitra ny fitrandrahana. Harem-be hitadiavan’ny vahiny sy ny mpitondra lalana hahafaha-mitrandraka izany ao. Raha izany harena tsy hita noanoa izany, tsy mila mitangirika vola etsy sy eroa isika, saingy hatreto aloha toa tsy misy fiantraikany amin’ny aty vilanin’ny Malagasy ny harena eto.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT