Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny didy hitsivolana lah. 2019-015 momba ny fanagiazana ny fananana sy ny vola azo amin’ny fomba tsy ara-dalàna na « recouvrement des avoirs illicites ».
Io no didy hitsivolana farany navoakan’ny filoha tao anatin’ny fotoana nananany ny fahefana hamoaka lalàna, rehefa rava ny antenimieram-pirenena teo aloha. Ankoatra ny And. 31, mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ary azo havoaka hanankery ny andininy rehetra amin’ny didy hitsivolana. Voalazan’ny fanapahana lah. 14- HCC/D3 ny 5 jolay navoakan’ny (HCC). Voalazan’ny And. 31 amin’io didy hitsivolana io olana io fa mihatra avy hatrany io didy hitsivolana io raha ampidirina hanan-kery. Ambaran’ny And. 13 ao amin’ny lalàmpanorenana anefa fa tsy misy olona azo saziana raha tsy araka ny lalàna navoaka hanan-kery alohan’ny nanaovana ilay fihetsika mahavoasazy, izay ilay hoe «Non rétroactivités des lois ». Ny heloka aorian’ny fivoahan’ilay lalàna izany no tena henjehina. Ny fanjakana no manana ny fahefana hanenjika sy hamerina ny vola na harena vokatry ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, ny kolikoly, ny famotsiam-bola entina mampihorohoro,….. Azon’ny fanjakana atao avy hatrany ny mihazona ny fananan’ireo izay tratra. Ny fampanoavana no hanenjika ireo voarohirohy amin’ny alalan’ny “Chambre du gel, de la saisie et de la confiscation des avoirs » ho an’ireo ambaratongam-pitsarana mahefa, hamoaka ny didy fihazonana ireo fananana sy volan’ireo izay tratra. Tsy ho azon’iza na iza ampiasaina ireo fananana na vola voatazona. Raha misy kosa ny fahafahana madiodion’ireo izay voarohirohy amin’izany dia haverina aminy tanteraka ny fananany afa tsy ny fitaovam-piadiana sy zava-mahadomelina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.