Actualités

Harena ankibon’ny tany sy solika Sehatra tsy voafehin’ny Malagasy


  • Alakamisy 24 Septambra 2015

Tokony ho fanoitra amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny fisian’ireo harena ankibon’ny tany eto amintsika, hoy ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny «Salon International des Mines et du Pétrole» andiany voalohany teny amin’ny CCI Ivato omaly

 

. Sehatra midadasika loatra mbola tsy voafehintsika eto Madagasikara, indrindra ny mpitondra fanjakana taorian’ny fitantanana tetezamita goragora sy gaboraraka anefa io tontolon’ny harena ankibon’ny tany sy ny solika io, araka ny hevitr’ireo sokajin’olona sy fikambanana samihafa eto amin’ny firenena. Efa naneho ny tsy fankasitrahany ny fanatanterahana ity hetsika ity rahateo tao anatin’ilay antontan-kevitra «Etat et Perspectives du Secteur Extractif à Madagascar» nosoratany ahitana 29 pejy ny Mgr Odon Razanakonolona. Mbola manjavozavo be ihany ity tontolon’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany eto Madagasikara ity. Miandry fanazavana avy amin’ny fanjakana amin’izay voarakitra ao anatin’ilay volavolan-dalàna rahateo ireo mpandraharaha Malagasy liana amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany toy ny politika momba ny fampiasam-bola na koa ireo fepetra mifehy ny lafiny ara-ketra.

Tompony mangataka atiny

Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Harena ankibon’ny tany sy ny solika mikarakara ny hetsika mandritra ny 3 andro ny orinasa vahiny Energy Exchange izay mahafehy ny zava-misy eto Afrika miaraka amin’ny traikefa mihoatra ny 30 taona eo amin’io sehatra midadasika io. Fihaonana iraisam-pirenena natao hampifandraisana sy hifanakalozan’ireo mpandraharaha eo amin’ny tontolon’ny harena ankibon’ny tany sy ny solika Malagasy sy vahiny izy io, araka ny fanazavana. Efa ho iray volana rahateo no teto an-toerana ny ekipan’ny vondron’orinasa Clarion Events izay nanampy tosika fampahafantarana tany Londres ny SIMP volana vitsivitsy lasa izay. Mbola misongadina ihany koa ireo orinasa vahiny am-polony maro mandray anjara avy amin’ny firenena 18 mameno ireo trano heva miisa 40 nomanin’ny mpikarakara. Mampiranty ny fahaiza-manao sy ny vokatra asa tànan’izy ireo kosa ireo mpitrandraka harena ankibon’ny tany madinika eto Madagasikara, izay toa tompony mangataka atiny ihany.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT