Voatohintohina ny fahaleovantenan’ny fitsarana, hoy ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena sady solombavambahoaka voafidy tao amin’ny boriborintany voalohany Hanitra Razafimanantsoa araka ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety omaly.
Momba ny raharaha Mbs dia gaga sy zendana izy mahita ny fanambaran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny serasera izay milaza fa tsy azo eritreretina intsony ny fisokafany. Gaga aho satria amin’izao fotoana izao, efa ho roa taona lasa izay no eny am-pelatanan’ny filankevi-panjakana ny fangatahana na « requette » izay mangataka ny hanafoanana fanapahan-kevitra na « annulation d’une décision » navoakan’ny minisiteran’ny serasera. Ka izay no itakiana ny hanaovana ny fitsarana ka nahoana no mimenomenona avy hatrany tsy miandry didim-pitsarana ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny serasera ? Sa ve izy no mpisolovava ny fitsarana mahefa ? Momba ny raharaha Claudine Razaimamonjy indray dia mahagaga ny zava-nitranga, hoy Me Hanitra. Tsy fahita eran-tany izany minisitry ny fitsarana indray no mangataka famotsorana olona na inona na inona tsy mety. Raha misy “vice de forme” dia ny mpisolovava no milaza izay tsy mety rehetra, indrindra ilay zo amin’ny fiarovana “droit de la defense”, izay no anjaran’ny mpisolovava fa tsy anjaran’ny minisitry ny fitsarana. Tokony hipetraka amin’ny toerana misy azy izy dia ny maha mpitahiry ny fitombokasem-panjakana azy. Raha sanatria misy tsy mety ny ataon’ny Bianco dia azo toriana ary misy dingana arahina mahakasika izany. Ny minisitry ny fitsarana anefa no miantoka ny fahamarinan’ny fitsarana ary miantoka ny maha fanjakana tan-dalàna. Amin’izao fotoana izao tsy misy intsony izany satria lasa ny minisitry ny fitsarana indray no manery ny andrim-panjakana hafa handika lalàna, hoy hatrany ny fanazavany. Maloto endrika ny mpitondra, ny firenena ary ny vahoaka Malagasy, afabaraka tanteraka ny fitondram-panjakana noho ny fanitsakitsahana ny fahefam-pitsarana, hoy ny Me Hanitra ary miteraka fikorontanan’ny fiarahamonina izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.