Araka ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro, dia hamirifiry ary hangatsiaka, hidina ambany dia ambany ny maripana amin’ireo faritra eto Madagasikara,
ny eto afovoan-tany sy ny faritra misy tendrombohitra toy ny any Vakinankaratra izay nanomboka ny alahady teo ka hatramin’ny rahampitso talata. Hatanjaka be ny hatsiaka amin’io ary miiba 0°C ka hatramin’ny 4°C izany. Tokony hitandrina koa ireo olona mandeha sambo eny ambonin’ny ranomasina, fa hisy ny “anti-cyclone” mandritra io telo andro io.
Ho an’ireo mpivarotra akanjo mafana kosa dia nampitombo ny entana namidiny izy ireo. Ho an’ny renim-pianakaviana iray kosa dia efa miomana foana rehefa ririnina ary manao akanjo matevina hiatrehana ny hatsiaka. Ny sakafo koa atao tsara sy mafana, fa tsy atao be menaka. Tokony hihinana karazana voankazo toy ny voasary, papay, akondro, fa tsy sakafo mankarary vavony no hohanina. Mba hialana amin’ny aretina mety ho tonga tampoka toy ny gripa, ny kohoka ary ny tazo no antony ary eo koa ny torohevitra avy amin’ny dokotera. Mpianatra roa ihany koa no efa niomana amin’ny fitafiana mafana toy ny “cache-nez”, bakiraro ary fonontanana. Ny sakafo fotsiny no atao tsara ary misotro zavatra mafana foana, hoy ireo olona nanaovana ny fanadihadiana.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.