Lehilahy iray monina ao Ambohimahavelona Toliara II no naiditra am-ponja vonjimaika omaly tany Toliara rehefa avy nandalo fitsarana, raha karohina fatratra kosa amin’izao ny namany 13 niara-nanafika sy nangalatra taminy, ny volana novambra lasa teo
Voarohirohy nangalatra zezika tain-dramanavy 810 gony an’ny orinasa Mima Sarl tao amin’ny lavabaton’ny tanànan’i Ankikiky, kaominina Andranoninaly, distrikan’i Toliara II izy ireo ny 5, 11 ary ny 16 novambra lasa teo, ary nitatitra izany an-tsokotsoko tamin’ny kamio tany Toliara navadika vola.
Tsy vitan’izany, fa mbola nanafika ireo mpiasan’ity orinasa ity ihany koa izy ireo, ary nirongo basy sy sabatra, ny 26 novambra lasa teo. Very tamin’izany, ny lelavola 4 tapitrisa Ariary sy fitaovana samihafa. Manoloana izany, dia mihorohoro ny mponina sy mpiasan’ny orinasa Mima Sarl ao amin’ny fokontany Ampamata. Mbola nanamafy izany tamin’ny mpanao gazety ny filohan’ny fokontany, Atoa Lahavelo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.