Actualités

Halatra vary 9 kaontenera tao Toamasina Tambajotra goavana no nanao azy


  • Zoma 16 Oktobra 2015

Olona iray mpiasa teo anivona orinasa “transitaire” mpamoaka entana ara-dalàna eo anivon’ny ladoany, no miandry fitsarana am-ponja ankehitriny tao anatin’ilay halatra vary 9 kaontenera an’ny “Krish Global” ao Salazamay Toamasina.

 

Mitentina 300 tapitrisa ariary ny entana. Raha ny angom-baovao teo anivon’ny polisy misahana ny raharaha ekonomika Toamasina nisahana ny raharaha dia tena tambajotra no nahavita ity halatra ity, saingy noho ity mpiasa na orinasa mpamoaka entana eo anivon’ny ladoany tsy manoro ny namany sy ny baiko avy amin’ny lehiben’ny fampanoavana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina izay nametrahan’ny tompon’ny entana ny fitoriany tsy manome ny baiko ihany koa, dia tsy afa-manoatra amin’ny fanohizana ny raharaha izy ireo. Raha ny voalazan’ity mpiasa voatazona am-ponja vonjimaika dia noho ny fanambazana azy vola 80 tapitrisa ariary nataon’ireo tambajotra na mpangalatra mihaodihaody eo anivon’ny seranan-tsambo, no nahatonga azy niditra tamin’ny raharaha noho ny fahasarotam-piainana. Raha voairaky ny tena “transitaire” ny entana izy hamoaka ireo vary “ara-dalàna” dia nohararaotiny izany. Tao Ampasimazava no natao ny famindrana ireo vary tao anaty kaontenera ho ao anatin’ireo kamiao efa niandry hitatitra ny azy. Hatreto, na efa nokarohina aza dia tsy hita fa tsara afina ireto vary 9 kaontenera nangalarina ireto. Ny vaovao no nahalalana fa mbola ao Toamasina tampon-tanàna ireo vary ireo hatreto. Tsy miteny ny mpiara-mibizina taminy ity mpiasa na “transit” ao Toamasina ity na efa miandry fitsarana irery am-ponja aza. Eo am-panarahan-dia ny raharaha ny polisy sy ny zandary amin’izao fotoana izao, ka ho hita eo ireo tambajotra “henjana” mahavita mangalatra varin’olona avoaka ara-dalàna ireto.

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT