Halatra taova, mahoraka indray tato ho ato any amin’ny faritra Atsimo Andrefana io. Ankizivavy efatra taona no hita faty tao amin’ny fokontany Lazarivo Atsinanana, distrikan’i Betioky Atsimo, ny alarobia maraina teo, izay tsy nisy lela sy maso ary atidoha intsony, taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo. Niroso tamin’ny fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro filaminana raha vao nahare ny vaovao. Olona dimy no voasambotra izay hatolotra ny fitsarana rahampitso talata.
Lela iray, 8 tapitrisa ariary
Ny telo amin’ireto mpibizina taovan’olombelona ireto, dia olona eo an-tanàna ihany, voasambotra ny alakamisy, izay efa nahazo vodion’ondrim-barotra telo hetsy ariary, raha ny zoma ny roalahy atidoha mpaniraka, voalaza fa nanakarama sy nampanantena hanome vola 8 tapitrisa ariary, raha mitondra taova (lela), hoy ny loharanom-baovao. Tsy vao izao no nisy nahenoana halatra taova tao amin’ity kaominina ity ary entin’ireo tsy mataho-tody amin’ny moto ao anaty vata fampangatsiana kely (glacière) ireo taova azony, hoy ny mponina any an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.