Misy andian’olona mbola miezaka ny mamotika ny orinasan’i Marc Ravalomanana satria mbola mirongatra izay tsy izy ny karazana fandrobana atao amin’ny Tiko ao Andranomanelatra.
Ny karazana tafo eo amin’ilay toerana saika hiompiana omby vavy be ronono ireny no lasibatra amin’izany ka nanodidina ny 64 isa amin’ny tafo vifotsy mirefy 8 metatra ny halavany no very. Rehefa natao ny fanadihadiana dia tao amin’ny fokontany Tsarasaotra no sarona ny tafo niisa 17 efa notapahana ho 4 metatra ka lasa 34 ny isany. Hatreto dia olona niisa 4 no tratra, nosamborina nanoloana ny Gastro pizza manodidina ny gara ka ny 3 dia ireo mpangalatra ny tafo fotsiny, izay nisy ny mpiasan’ny Tiko ihany ary ny iray dia ilay mpaniraka sy mpividy ny halatra no sady mitady mpividy. Miavaka amin’ny tafo hita eny an-tsena moa ireto tafo ireto na ny kalitaony na ny hatsarany ka mora fantatra. Mbola mitohy, araka izany, ny fikarohana ny naman’ireo mpangalatra, izay fantatra fa mbola misy ankoatra ireto tratra ireto, sy ireo amin’ny tafo tsy hita. Nialoha ity halatra tafo ity moa dia efa nisy fahaverezana fitaovana ihany koa tao Andranomanelatra ka nisamborana olona maromaro ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.