Actualités

Halatra sy trafikana nikela Mpandraharaha Sinoa no tompon’ny kamio nitatitra ny nikela


  • Alatsinainy 13 Oktobra 2014

Miroso ary efa somary lasa lalina ihany ny fanadihadiana mikasika ilay nikela saika natao trafika nankany Pays Bas nangalarina tao Ambatovy tratra ny herinandro nivalona iny milanja 60 taonina ary nizara kaontenera 3 ihany koa

Tratra tao Analakininina hopitaly be manakaiky ny fefin’ny toby miaramila 1/RM3 ny iray tamin’ireo kamiao laharana “20… TBB” nitondra izany teo anivon’ny seranan-tsambo. Mbola tao avokoa ny taratasy rehetra momba ny fiara izay efa eo am-pelatanan’ny zandary misahana ny heloka bevava Toamasina. Ny angom-baovao natao, raha manahirana ny maka izany eo anivon’ireo zandary nametrahan’Ambatovy ny fitoriany, dia maro ihany koa ny tsy fetezana hita amin’ireo taratasin’ny fiara ireo izay ana mpandraharaha sinoa iray monina eto Antananarivo. Midika izany fa eo am-pitadiavana ny kamiao roa ambiny nitondra ireo nikela halatra sy saika natao trafika ireo ny mpitandro ny filaminana sy ladoany misahana ny fanadihadiana, izay heverina ihany fa tsy maintsy mbola an’ity teratany sinoa mpandraharaha ity ihany ireo kamiao tsy hita ireo satria efa fantatra ny momba azy ireo araka ny voarakitry ny antontan-taratasiny eo anivon’ny SGS sy ny Sydonia ++ ny ladoany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT