Actualités

Halatra rano “Tsy azo leferina mihitsy”, hoy ny JIRAMA


  • Talata 02 Jolay 2019

Saron’ny sampana mpanao «ratissage» ao anatin’ny Fitaleavana misahana ny fiarovana ny fidiram-bolan’ny rano (DPRO) eo anivon’ny orinasa JIRAMA,

 omaly ny halatra rano eny amin’ny fokontany Miandrarivo Ambanidia. Raha ny fanazavan’ny DPRO, Rakotonirina Jacques Daniel dia tato anatin’ny iray volana izao no nanao laharam-pahamehana ny fitsirihana ireny toerana ahitana « jerricane » mavo milahatra ireny io sampana io ka izao mody ventiny izao ny rano nantsakaina. Niaiky ny halatra nataony ilay tokantrano ary mbola nilaza ilay renim-pianakaviana fa efa ho roa taona izao no nanaovany io fisintonan-drano tsy miankina amin’ny «compteur» io, izay nohararaotiny tamin’ny fisian’ny fahavakisan’ny fantsona mpitondra rano teny an-toerana. Tato anatin’ny valo volana kosa, hoy izy no nivarotany ny rano halatra amin’ny mponina manodidina. Toy ireny milahatra rano amin’ny paompin’ny daholobe ireny ny mpividy rano ao amin’ity tokantrano ity, izay 50 ariary ny iray «jerricane» mavo ary adiny dimy isan’andro  no misokatra ny fivarotana rano eo am-bavahady. Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ny mpitantana ny orinasa JIRAMA, izay notarihin-dRandriamanana Henri, Tale Jeneraly lefitra ary notronin’ny vaditany ny fidinana ifotony. Tsy azo leferina ny halatra toy izao, hoy izy satria miteraka fatiantoka goavana ho an’ity orinasam-panjakana ity. Hanery ilay tokantrano hanefa ny sarany tokony honerany amin’ny JIRAMA ny mpitantana ny orinasa ary hampiakatra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana. Hosaziana ihany koa izay mpiasan’ny orinasa JIRAMA voatonontonona tamin’izao raharaha halatra rano izao.

 

Marigny A.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT