Misoko mangina toa ron-gisa ny fanadihadiana momba ilay raharaha nikelan’Ambatovy. Hatreto aloha dia ireo “olona azo gadraina ihany no mbola voahazona am-ponja” ahitana ireo mpiasa 5 eo anivon’Ambatovy sy ireo olona tsotra roa hafa ary ilay mpiasan’ny fadintseranana ao Toamasina
Raha ny angom-baovao anefa dia misy mpiasa 2 (tsy azo kitihina”?”) miasa eo anivon’ireo orinasa miasa eo anivon’ny seranan-tsambo tafiditra amin’ity raharaha fanodikondinana nikela naondrana tany Azia nivadika vatokely ary izao saika nokasaina naondrana tany Pays-Bas izao ity. Hain’ireo mpanao fanadihadiana tsara ireo olona ireo, nefa tsy mbola nisy fiantsoana hiatrika fanadihadiana natao azy. Toraka izay koa ny tompon’ilay kamiao 3 nitatitra ireo kaontenera 3 nisy ireo nikela tratra. Eo koa ireo mpiasan’ny orinasa misahana ny “scanner” izay tsy misy tahotra mihitsy noho ny fiarovana azy ireo “tena tsara” sy “mafy orina” amin’ny alalan’ny tambajotra. Ny angom-baovao aza nahalalana fa ilay mpirahalahy maty tao Androranga nisy nitifitra tamin’ny kalaky tsy nisy halatra iny, dia misy ifandraisany amin’ity raharaha ity. Mpiambina eo anivona orinasa miasa eo anivon’ny seranan-tsambo ilay “zoky” nidiran’ireo jiolahy voalohany, koa iza ary no mpaniraka raha izay tokoa ? Ho hita eo ny tohiny. Milaza ny hanao fitokonana hamoahana ny namany sy ny tena marina momba ity raharaha ity, ireo mpiasan’ny ladoany anio.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.