Actualités

Halatra nikela Mpiasan’Ambatovy 5 nidoboka any am-ponja


  • Zoma 21 Novambra 2014

Miroso na mangingina aza ny fanadihadiana sy ny raharaha mahakasika ilay nikelan’Ambatovy saika hisy hanondrana an-tsokosoko tratra tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, efa vonona haondrana tao an-tokotanin’ny orinasa Mictsl

Ny angom-baovao natao no nahafantarana  fa mpiasan’Ambatovy miisa dimy no miandry fitsarana ao am-ponja izao noho izy ireo voarohirohy ho mpiray tendro sy nitsikombakomba tamin’ny zava-nisy momba ireto nikela ireto. Io loharanom-baovao io ihany no nahafantarana fa mpiasa eo anivon’ny fitantanana ny nikela sy kobalta aondrana ireto mpiasa MD ireto. An-kilany, fantatra ihany koa fa misy olona ivelan’Ambatovy miisa roa hafa efa miandry fitsarana am-ponja ihany koa, noho izy ireo voarohirohy hatrany ho mpiray tendro tamin’ny fitaterana sy fampidirana ny entana tao amin’ny seranan-tsambo. Na sarotra aza ny fakana sy fanangonana ny vaovao, dia fantatra hatrany izao fa mbola mitohy ny fanadihadiana lalina hahalalana ny tena atidoha mikasika ny raharaha ity. Efa maro ny anarana mandeha sy miandry fanadihadiana, voalaza fa misy tale kabinetra na minisitera iray voatonontonona ao anatin’ny raharaha. Raha hiverenana ny tantaran’ny raharaha dia nikela 5 kaontenera no naondran’ny tetikasa Ambatovy tany Azia, ny iray kaontenera  ihany anefa no nisy nikela fa ny 04 lasa vatokely rehefa tonga tany. Taty aoriana anefa nikasa hanondrana ireo nikela ireo ho any “Pays Bas” amina mpandraharaha Poloney iray ireo mpiray tendro tamin’ny halatra, ka izao tratra tao amin’ny Mictsl izao ny 08 oktobra teo. Saingy ny telo tamin’ny efatra lasa vatokely ihany no mbola hita fa ny iray mbola nanjavona hatramin’izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT