Mitohy na dia mangina aza ny momba ilay raharaha nikela an’Ambatovy lasa vatokely tonga tany azia sy ilay raharaha nikela tratra teo anivon’ny Mictsl raha saika naondrana tany Pays-Bas tamina teratany Poloney
Taorian’ireo mpiasan’Ambatovy teo anivon’ny sampana misahana ny fampitaovana (logistique) ny orinasa miisa 05, izay voarohirohy momba ireo nikela nivadika vatokely tonga tany azia, sy ireo olon-tsotra nitondra ny entana niisa 02 voarohirohy tamin’ny fitaterana ireo nikela 03 kaontenera tratra tao amin’ny seranan-tsambo, izay samy efa miandry ny fitsarana am-ponja dia fantatra, araka ny vaovao marim-pototra omaly, fa misy mpiasan’ny fadintseranana iray misahana ny sary avoakan’ny “Scanner” nohazonina vonjimaika am-ponja ao Toamasina nanomboka ny alarobia teo. Ny tena raharaha hanenjehan’ny fitsarana sy ny Ambatovy mpitory azy, dia noho ireo nikela nivadika vatokely tonga tany azia ihany koa aloha hatreto. Afaka madiodio kosa ny mpiasan’ny SGS misahana ny “Scanner” niara-nantsoina taminy teny amin’ny fitsarana izay nahagaga ny rehetra, satria ireo mpiasan’ny SGS ireo no tena mpikirakira ny resaka “Scanner”.Vokatr’ireo rehetra ireo dia manambana fitokonana ny mpiasan’ny ladoany Toamasina amin’ny fiarovana ny namany nanao ny asany. Ankoatra izay, araka ny angom-baovao marim-pototra koa, dia nanomboka ny alatsinainy sy talata teo dia nanao fitokonana ihany koa ireo mpiasa teo anivon’ny fampitaovan’Ambatovy momba ireo namany, fitokonana izay mbola nitohy omaly sy hitohy anio zoma.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.