Actualités

Halatra Moto Olona roa voarohirohy


  • Zoma 23 Janoary 2015

Olona roa no fantatra fa niakatra fampanoavana noho ny resaka halatra moto izay malaza eto Antsirabe amin’izao fotoana.Teny amin’ny fokontany Ambohimahazo teny no nisamborana ireto olona roa ireto raha ny fanazavana nomen’ny polisim-pirenena ka ny irey dia voalaza fa nametrahana ireo Moto roa fotsiny sy nitady ny mpividy ary ny iray hafa dia nametraka ilay Moto fotsiny ihany.Nambaran’ireo voasambotra aloha hatreto fa tsy fantatry izy ireo ny fiavian’ilay Moto fa olona ihany koa no nametraka ireo Moto tamin’izy ireo mba hitadiavana mpividy.

Mbola karohina fatratra araka izany ilay tena heverina fa nanao ny halatra, izay efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny mombamomba azy amin’izao fotoana.Notanana am-ponja vonjimaika kosa ireo olona nametrahana ireo moto sy ilay mpitady ny mpividy amin’izao fotoana.Raha ny fantatra moa dia fanomezam-baovao avy tamina olona tsara sitra-po no nahitana ireto motao halatra ireto ka iantsoana izay very moto ka manana taratasy ara-dalàna mba hanatona ny mpitandro ny filaminana.   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT