Actualités

Halatra menaka jirofo Navotsotra ilay zandary, sivily 2 mbola any am-ponja


  • Alarobia 04 Febroary 2015

Omaly atoandro no notsaraina tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Toamasina, ny raharaha nanenjehan’ny fitsarana ireto zandary 3 lahy miasa eo anivon’ny zandary misahana ny heloka be vava sy sivily iray mpiray tendro amin’izy ireo. Fanodinkodinana menaka jirofo nogiazan’ny fitsarana noho raharaha hifanolanan’ny depiote ny Mananara avaratra sy ireo mpandraharaha ao Soanierana Ivongo, noho ilay raharaha sambo nolazaina fa rendrika tao Soanierana Ivongo.

 

 Miandry didim-pitsarana hivoaka ny 10 febroary izao am-ponja ny zandary roa, manamboninahitra lefitra Razafindraialy Redsil Sytherland sy Andriamasoandro Herima Eddy sy sivily iray mpiray tendro amin’izy ireo. Nahazo famotsorana alohan’ny didim-pitsarana kosa ny manamboninahitra lefitra Tiandrazana Fabien. Raha ny zava-misy teo anivon’ny fitsarana nandritra ny ady hevitra nifanaovan’ny fitsarana sy ny toriana, dia voatonontonona imbetsaka ny anaran’ny komandan’ny zandary misahana ny heloka be vava fa isany “mpibaiko” sy “tao anatin’ny raharaha fanodikodinana” ireo menaka jirofo 4 barika manga milanja 250 litatra. Voalaza koa ao anatin’izany fa tsy isan’ny nohenoina akory izy io ary natao ho vavolombelona indray aza nanitsoka ireto manamboninahitra lefitra ireto. Raha ny ady hevitra teo anivon’ny fitsarana dia ingahy Eddy no isany ati-doha niaraka tamin’ny komandany nanodina ity menaka jirofo ity. Naharitra ora iray sy 45 minitra ny fifandaharana teo anivon’ny fitsarana omaly atoandro ity, ka ho hita eo ny didy izay avoakan’ny mpitsara misahana ny raharaha ny 10 febroary izao mikasika azy ireo sy ity lehiben’ny zandary voatonontonona nefa tsy niatrika fitsarana ity.

 

Rakoutou

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT