Actualités

Halatra lakolosy tao Ambohitsoa Nisy nametraka tao anaty bozaka


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2016

Hita ny herinandro lasa teo rehefa nampitaraina sy nampikaikaika ireo mponina ao Ambohitsoa Miarinarivo ny fahaverezan’ilay lakolisim-piangonana tao an-toerana, roa volana lasa izay.

 

Tao anaty bozaka teny an-tsaha no nahitana io lakolisim-piangonana io raha araka ny vaovao azo izay marihina fa milanja 100 kg eo ho eo. Mpaka vilon’omby no nahita ity karazan-javamaneno iray ity ka nampandre avy hatrany ny tompon’andraikitra. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka  no nandraisan’ny mponina izany, lakolosy izay marihina fa tsy ho an’ny mpivavaka isan’alahady ihany fa miasa ihany koa rehefa tafakatra an-tanana ny mpanao ratsy  na misy doro tanety na koa misy fahoriana ao an-tanana. Mandeha araka izany  ny tombana fa mety ho isan’ireo lakolosy tsy nisy taratasy mazava na efa mifangaro ity lakolosim-piangonana ity ka tsy sahin’ireo nikasa hividy azy ny naka ny entana raha efa nanantena volabe ireo mpangalatra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT