Mahabe resaka ny fiangonana kristianina ity resaka halatra lakolosy ity.
Ny mahagaga dia toa mangina tsy andrenesam-peo amin’izany ny fitondram-panjakana. Raha ny nambaran’ny mpandinika dia toa misy hifandraisany tamin’ilay resaka fananganana Moske 2000 isa ity halatra lakolosy ity ka ahian’ny maro hiditra amin’ny resaka fanjakana Islamika na”Etat Islamique” izay tombanan’ny maro fa efa tonga eto Madagasikara tokoa. Raha ny nambaran’ny mpitondra fivavahana Krisitianina iray tsy nitonona anarana dia karazana famotehana ny fiangonana Kristianina no tanjona satria hatreto dia tsy mbola nisy porofo mazava nilaza ny mety hilàna ity lakolosy ity kanefa dia sandaina volabe ny iray. Raha atao hoe ny Sinoa no mila ny vy dia karazana fatiantoka ny vidin’ny lakolosy sy ny lanjan’ny vy ka atao inona ary io ? Ambaran’ity mpaneho hevitra ity fa misy fampiasam-bola hamotehana ny Kristianina ao ambadiky ny halatra lakolosy sy ny fahanginan’ny mpitondra fanjakana toa manome vahana ny mpanao izany.Mampieritreritra !
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.