Actualités

Halatra jiro sy rano Hisy ny fitsirihana tampoka


  • Alakamisy 03 Novambra 2016

Ho hentitra amin’ny halatra jiro sy rano mitranga eny anivon’ny fiarahamonina manomboka izao ny minisiteran’ny angovo sy ny harena ankibon’ny tany.

 Mahatsapa mantsy izy ireo fa anisan’ny miteraka fatiantoka goavana ho an’ny orinasa mpaninjara JIRAMA ny fisian’izany, anisan’ireny ny delestazy lavareny izay miteraka fahatezerana  ho an’ny mponina. Mitotongana tsy araka ny tokony ho izy ihany koa, hoy izy, ireo ny kalitaon’ny asa hatolotra ny mpanjifa.  Tsy lazaina intsony ny fiarovana ny ain’ny mponina amin’ny loza mety haterak’izany. Manoloana ireo tranga ireo dia fantatra fa handray fepetra hentitra izy ireo ka hisy ny fanamafisana ny fanaraha-maso hatao eny anivon’ny fiarahamonina. Hohatevenina ihany koa ny lalàna ho an’ireo izay tratra manao izany, indrindra fa ho an’ireo manaparitaka tariby mitondra herinaratra ho ana tokantrano tsy manana jiro ara-dalàna na mivaro-drano ho an’ireo manodidina azy. Anisan’ny hanaovana fanentanana koa ireo vao hampiditra jiro na rano ho fitsinjovana ny daholobe.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT