Miisa 15 hatreto ny isan’ireo olona efa tratra nangalatra ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro eny an-dalambe eny amin’iny digy mihazo an’i Fenoarivo Atsimondrano iny.
Ny sivy amin’ireo raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika Rado Ramparaoelina no nampidirina eny Tsiafahy raha eny amin’ny fonjaben’Antanimora kosa ny enina ambiny. Ny mampalahelo, hoy hatrany ity Ben’ny tanàna ity dia misy olona eo an-tanàna ihany no miray tsikombakomba amin’ireo mpanao ratsy mba hanimba sy hamotika ny fananam-bahoaka tahaka itony. Misy ihany koa hoy izy, ny avy etsy Anosibe sy ny Faritra Itasy izay efa fantapantatra avokoa. Efa nitady vahaolana izy ireo ho fitandroana ny fandriampahalemana eny Ampitatafika. Nohazavainy fa efa nangataka fiaraha-miasa tamin’ireo sinoa mpamatsy ireny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireny ny tenany ka efa nahazo vidiny amin’ny ambongadiny. Efa tonga mihitsy ny entana ankehitriny saingy ny vola hamoahana izany no tsy ampy kely. Ny fivoahan’ireo fitaovana ireo sisa no andrasana raha mbola manantena ny fanaovan’ny mpitandro ny filaminana fanadihadiana lalina mikasika ireo atidoha tena mikotrika ity halatra jiro ity kosa ireo mponina eny Ampitatafika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.