Vehivavy no betsaka tamin’ireo mpisoloky tratra hatreto. Lehilahy iray sy vehivavy telo izay mody manofa entana sady manao taratasim-panjakana sandoka no tafiditra tao anatin’ny
haraton’ny kaomisaria foibe Atsimondrano niaraka tamin’ireo Polisin’ny kaomisaria fahatelo sy ny boriborintany nanomboka ny 26 martsa teo. Natolotra ny fitsarana omaly talata ireto olan-dratsy ireto
ka naiditra am-ponja vonjimaika. Tsiahivina fa nanomboka ny 20 aprily tamin’ny taon-dasa no naharay fitoriana fisolokiana entana hofaina ny kaomisarian’Atsimondrano. Manofa fitaovana fandraisam-
bahiny sy fanaovam-pety, maka « friperie » amin’ny mpambongady, mampiasa taratasim-bola sy taratasim-mpanjakana sandoka izy ireo. Manjavona miaraka amin’ny entana ireto olon-dratsy ireto
ary tsy mamerina izany amin’ny tompony amin’ny fotoana nifanarahana. Nitombo ny fitarainana mitovy voarain’ny Polisy amin’ny kaomisaria hafa rehetra. Ny farany voaray dia tamin’ny 13 martsa teo ka nahatrarana laharana finday iray izay nahafahana nitsirika ny adiresin’ny laharana finday raha toa ka nandamoka avokoa ny fikarohana tany aloha noho ny hosoka nataon’ireo mpisoloky ireo.
Ny 26 martsa teo no voasambotra voalohany ny iray tamin’ireto mpisoloky ireto izay nisoratra tamin’io laharana an-tariby voalaza etsy ambony io ka nanonona ireo namany sy ny mpividy ny
entan’izy ireo. Notsimponina tsirairay ireto tambajotran’ny mpisoloky ireto ary rehefa nosavaina ny tranony rehetra, tratra ny ambin’entana tsy lafon’izy ireo toy ny lovia, sotro isan-
karazany amin’ny kesika, seza, latabatra sy ny kara-panondrom-pirenena amin’ny anarana olona samy hafa ary fanamarinam-ponenana sandoka maro. Tsiahivina fa ireo mpividy halatra dia
iharan’ny lalàna tahaka ireo mpangalatra hatrany.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.