Actualités

Halatra findany eny amin’ny 67 Ha Voasambotra i Pascal


  • Talata 29 Novambra 2016

Lehilahy iray no tonga nametraka fitoriana tao amin’ny kaomisarian’ny polisy etsy amin’ny Boriborintany fahafito 67 ha ny 27 novambra lasa teo noho ny sinto-mahery nihatra taminy.

 

 Teny  amin’ny Vatobe fiandrasana taksibe mihazo an’Ivato no nitrangan’izany,  tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Niakatra tao anatiny taksibe ity lehilahy iray ity no nisy  naka  ny finday tao am-paosiny. Nivoaka nanenjika io mpangalatra io izy taorian’izany ka nampian’ireo  polisy nandrindra ny fifamoivoizana teny an-toerana. Vokany, tratra ilay mpangalatra ary mbola tratra teny aminy ilay finday. Nanaiky ny fiampangana azy i Faniry Pascal,  ary nilaza izy fa saika hamidiny teny amin’ireny mpivarotra amin’ny sisin-dalana ireny ilay  finday  nangalariny.  Efa nigadra teny amin’ny fonjan’Antanimora  ity lehilahy ity tamin’ny 2015. Natolotra ny fitsarana omaly izy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT