Mihamafana hatrany ny asan-dahalo any amin’iny distrikan’Ambatondrazaka iny amin’izao fotoana izao. Voakasik’izany manokana talohan’ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izay nahatrarana dahalo sambo-belona miisa 12 niaraka tamin’ny bala sy ny ody gasy.
Raha tsiahivina ny tantara dia ny 22 Desambra lasa teo no nitrangan’ilay halatr’omby tao Amparimaro, Fokontany Ambodifarihy, kaominina ambanivohitra Ampasikely. Omby miisa 12 no norobain’ireo dahalo an-keriny tamin’izany. Nisy mihitsy ny fifampitifirana teo amin’ny mpitandro sy ny filaminana sy ireo dahalo tao Ampanefy nandritra ny fanarahan-dia nataon’iretsy voalohany. Vokany, tafaverina amin’ny tompony soa aman-tsara ny omby rehetra raha dahalo miisa 12 kosa no voasambotra. Niakatra fitsarana omaly Talata moa ny raharaha ka fantatra fa nampidirina am-ponja vonjy maika izy 12 lahy ireo. Tsiahivina moa fa miezaka hatrany ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana amin’izao miaro ny ain’ny vahoaka sy ny fananany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.