Rangahy iray sendra nandalo nahafantatra an’ity mpangala-jaza no nilaza tamin’ny Fokonolona teo fa adala noho ny fifohana rongony io, raha tsy izany dia saika zavatra hafa no nitranga
. Lehilahy iray manodidina ny 40 taona, voalaza fa marary saina no saika matin’ny fitsaram-bahoaka, ny sabotsy antoandro teo tany Toliara. Nobedain’ity lehilahy ity ary nentiny nitsoaka avy hatrany ny zazavavy kely iray dimy taona nilalao teo an-tokotany. Nikiakiaka sady nitomany mafy ilay ankizy, ka io no nanaitra ny manodidina sy ny reniny tao an-trano.
Raikitra avy hatrany ny antsoantso hoe : mpangala-jaza e ! Rehefa nenjehina izy dia tratra, nefa nanohitra ireo nisambotra azy, ka tezitra ny olona, ary raikitra ny vono sy daroka. Rapa ny tarehiny. Efa fanaon’ity lehilahy ity no tonga dia maka ankizivavy mitovitovy taona tamin’ny zanany efa maty. Ireo olona mahafantatra azy moa dia tsy mivaky loha intsony amin’ny fombany fa maka moramora ny zaza eny an-tanany. Tsy tompon’ny tenany hono !
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.