Actualités

Hala-jaza Efa teny an-tanan-dramatoa ilay zaza vao nifamonjena


  • Alatsinainy 27 Oktobra 2014

Vehivavy iray manodidina ny 40 taona teo ho eo indray no efa saika matin’ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny Fokontany Ambalavato atsimo omaly zoma 24 oktobra tolakandro noho ny resaka hala-jaza. Raha ny nambaran-dRtoa Rahantarimanana Fleurette, lehiben’ny fokontany dia nahazo antso an-tariby ny tenany fa nisy olona tratran’ny fokonolona niditra ny fefin’olona ka nibata zazavavy kely 3 taona nilalao teo an-tokotany.

Noho ny hatairan’ilay zazakely izay tsy nahafantatra ilay olona dia nitomany izy ka taitra ny tao an-trano ka nivoaka. Akory ny hatairan’ny iray trano fa efa eny an-tanan’ilay ramatoa ilay zazakely. Navotsony ilay zaza nony nivoaka ny tao an-trano. Nitsoaka izy ary nifanenjehana ka tratran’ny fokonolona. Mbola tratra teny aminy ny kavin’ilay zazakely. Efa saika raikitra ny fitsaram-bahoaka no tonga ny polisy izay nantsoin’ny lehiben’ny fokontany ary nentina tany avy hatrany ilay ramatoa. Nambaran’ny lehiben’ny fokontany fa tsy fantatra aloha na saika haka kavina fotsiny izy fa mbola nisy kavina hafa tratra tany aminy ary nisy laharana fiara tamin’ny taratasy mitondra ny marika ….MC, niampy laharana finday izay saika hopotehin’ilay ramatoa fa tratran’ny fokonolona ihany. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana moa ity raharaha ity amin’izao fotoana ka ho hita eo indray ny tohin’ity resaka hala-jaza manomboka mahoraka eran’ny tanàna ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT