Actualités

Haino aman-jery Tongasoa ny “Top Radio” 102.8 FM


  • Talata 02 Mey 2017

Hisokatra amin’ny fomba ofisialy anio ny onjam-peo “TOP RADIO”, izay hita eo amin’ny mari-drefy FM 102.8. Foto-kevitra hijoroan’ny onjam-peo ny hoe “Sahy miteny ho an’i Gasikara”,

 

 izay midika fa tsy hikoso-maso sy tsy hitsitsy fitenenana ny onjam-peo manoloana ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena, mba ho fikatsahana ny soa ho an’ny firenena sy hisoloana vava ny vahoaka Malagasy manoloana ny raharam-pirenena sy ny raharaha politika eto Madagasikara. Foto-kevitra efa nijoroan’ny Gazety Tia Tanindrazana hatrizay izany, ary izao mbola hamafisina ao anatin’ity onjam-peo ity izao. Tafiditra ao anatin’ny vondron’orinasa Vidy Varotra rahateo io onjam-peo io sy ny gazety, ka mifameno tanteraka eo amin’ny foto-kevitra dia sahy hijoro sy hiteny ho an’i Gasikara. Anisan’ny fandaharana horenesina isaky ny maraina manomboka amin’ny 6ora-9ora ny “Bemiray”, hiresahana ny zava-misy eo amin’ny fiarahamonina, ka azon’ny mpihaino atao ny mandray anjara amin’ny alalan’ny antso an-tariby. Mandritra ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny radio anio kosa, dia hivahiny ao ny avy amin’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) anio maraina. Toy izao kosa ny oran’ny fampahalalam-baovao: amin’ny 6ora30, 12ora30, ary amin’ny 7ora hariva ny vaovao lehibe; amin’ny 9ora, 10ora, 11ora, 2ora, ary amin’ny 3ora tolakandro kosa ny vaovao tapatapany.  Ny hariva aorian’ny vaovao (7ora30- 9ora alina) dia hisy ny fandaharana mifantoka bebe kokoa amina ady hevitra hiresahana ny fiarahamonina sy ny firenena, ka “Donak’afo” no anarana nampisalorana azy. Anio hariva dia adihevitra hifanaovan’ny Apostoly Tsaratsara sy Pasitera Roger Andriamisata no ho re ao anatin’ny “Donak’afo”. Natao ho an’ny rehetra ny fandaharana sy ny zavatra handeha amin’ity onjam-peo ity, ka samy hahazo ny anjarany avokoa ny sokajin’olona misy eo anivon’ny fiarahamonina. Efa vonona tanteraka ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny onjam-peo mba hamaliana ny filan’ny mpihaino sy hanomezana fahafaham-po hatrany ny rehetra.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT