Ampanantsoina eny amin’ny Commissariat Central de La Ville d’Antananarivo eny Tsaralalana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ireo gazety vokarin’ny RLM Commmunication anio amin’ny 9 ora maraina.
Re fa fitorian’i Andry Rajoelina no antony. Ny lahatsoratra mifandray amin’ny fanambarana mikasika ny fisian’ny antso avy amin’ny polisy ara-toekarena Frantsay momba fahazoan’ny filohan’ny tetezamita teo aloha harena tamin’ny fomba tsy mazava no voambara fa fototr’ilay fiantsoana . Omaly moa ny minisitry ny serasera teo aloha Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, izay mpandrindra ankapobeny ao amin’ny RLM Communication dia nilaza tamin’ny fandaharana Miara-mampita niraisan’ny haino aman-jery maro fa mahalala tsara sy manana ny dosie momba izany izay efa ho 100 pejy mahery. Karazana don-tandroka sahady ve izao fa raha toa mahazo fahefana eo Rajoelina dia hatao fahirano izay tsy mitovy hevitra sy manelingeina azy ? Toe-javatra hafahafa ihany koa ny niseho tamin’ny fahitalavi-panjakana omaly. Rakotra an-dRajoelina sy ny ekipany ny sehatra tamin’ny fanehoan-kevitra taorian’ny fanambaran’ny CENI ny valim-pifidianana. Ny fahitalavitra TVM ve dia tsy mba nanam-piniavana na dia kely akory amin'ny anaran'ny fahaiza-manao mba naka fanehoan-kevitra na “reaction” avy amin’ny K25 na ilay kandida na ireo manodidina azy manoloana ireny kabary nataon'ny Filohan’ny CENI omaly ireny ? Tsy nahoany izany, ka tsy hay na efa tsy azo alefa ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana (interdit d'antenne) i Marc Ravalomanana kanefa samy mbola kandida izao. Efa mandeha sahady ve ny don-tandroka ary ho avy ny fahirano raha lany eo izy ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.