Nilatsaka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina fa anisan’ny asa lehibe iantsorohan’izy ireo ny fanadiovana ny tontolon’ny haino aman-jery.
Nanao antso avo amin’ireo tompona haino aman-jery toy ny radio sy fahitalavitra manerana ny Nosy ny fanjakana mba hanao ny fanambarana ny porofo maha ara-dalàna sy ny fahafenoan’ny lasitra araka ny lalàna sy ny fenitra mifandraika amin’ny fananganana sy fahafaha-mampihodina radio sy fahitalavitra mialoha ny 10 jolay 2019 amin’ny 4 ora tolakandro eny amin’ny foiben’ny minisitera eny Nanisana. Mahakasika indrindra ny fananana ny “licences d’éxploitation” sy ny fahazoan-dalana hanitatra na ny “autorisation d’extension” tokony ho eny am-pelatanan’ny tompon’andraikitr’ilay orinasan-tserasera io. Ny tsy fanatanterahana ireo dingana takiana sy ny tsy fahatomombanana ara-panjakana hita aorian’ny fe-potoana nomena tsy misy fanambarana dia mitarika amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra mifandraika amin’izany amin’ny alalan’ny fampiharana ny lalàna manan-kery mba hitsaharan’ny tsy fanarahan-dalàna. Ny orinasan-tserasera sokajiana ho mpanohitra no ahiana hotsongolohana amin’io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.