Actualités

Haino aman-jery eto Madagasikara Mivadika “TNT” avokoa hatramin’ny jona 2020


  • Talata 06 Aogositra 2019

Ny tontolon`ny serasera sy haino aman-jery dia tsy afa-misaraka amin`ny fampandrosoana ny firenena.

 

 

Ny TNT (Télévison Numérique Terrestre) dia tsy maintsy andalovana ary efa miroso mankany amin`izany i Madagasikara. Efa tara 5 taona isika, hoy ny talen`ny raharaha ara-pitsarana (DAJ) eo anivon`ny minisiteran`ny serasera sy ny kolontsaina, kanefa amin`ny volana jona taona 2020 no fe-potoana farany manaraka izay fenitra iraisam-pirenena izay. Efa maro ireo atrikasa no tanterahina teto amintsika. Raha tsiahivina dia toy izao ny rafitry ny TNT : havadika ho TNT avokoa ny fahitalavitra sy ny “radio” manerana ny nosy. Mety hisy ny fotoana, sady hampiasana ny rafitra “analogique” sy “numérique”. Hisokatra ny fahazoan-dalana amin’ny fanokafana haino aman-jery vaovao ary afaka manolo-kevitra ny faritra ny amin’ny fanapariaham-baovao. Eken'ny lalàna ao anatin'izany ny fandrakofana manerana ny nosy ho an' ireo haino aman-jery tsy miankina. Tsy ny minisitera intsony, hoy ny DAJ, no hanome ny fahazoan-dalana fa ny ANCRM (Autoritè Nationale de Regulation de la Communication mediatisèe).  Ny fitaovana handraisana ny “radio-télé” moa dia hisy fiovana ho an’ny mpanjifa.  Ho an’ny « radio-télé” kosa dia mbola hiasa ny “antenne” hampiasain’ny DIT amin’izao. Ny amin’ny « émetteur” indray dia hihena ny sarany saingy ny vola haloa amin’ny fanjakana no havesabesatra kokoa. Ny eo amin’ny lafiny ara-tsosialy, dia hisy ihany koa, vokatr’io fiovana rafitra io, ny mety ho fanesorana ny mpanao gazety amin’ny asany, na koa ny fampitomboana ny isan’ny mpanao gazety saingy arakaraka ny tolotra. Eo ihany koa ny fitakiana fifehezana fiteny vahiny maro satria ny orinasa mpandefa fandaharana, raha hiatrika ny tsena, dia tsy maintsy hivarotra any ivelany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT