Efa hatramin’ny fiafaran’iny taona 2019 iny no nahenoana fitokonana samihafa nataon’ny avy eo anivon’ny ORTM na ny fiadidiana ny haino aman-jerim-panjakana tamina faritra sasantsasany teto
Madagasikara. Araka ny fampitam-baovao iray dia efa nisy mpiasa noroahina maromaro ary antony nisian’ny fitokonana tao Toamasina farany teo, ohatra, ny fandavana ny fandroahana ireo mpiasa mbola tsy vita fifanarahana na ECD. Misy ankehitriny ny feo mandeha eo anivon’izay tontolon’ny haino aman-jerim-panjakana izay fa mbola misy ECD miisa 200 horoahina amin’ity taona ity. Mahavalalanina ireo mpiara-miasa eo anivon’ny ORTM kosa ny fisiana olona akaiky ny minisitry ny serasera, Lalatiana Andriatongarivo, izay efa avy nigadra kanefa dia mbola nampiandraiketana toerana ambony sy saropady eo anivon’ny minisitera sy ny ORTM ihany ankehitriny. Tsy vitan’izay fa savaina tsirairay ireo mpiasa miditra sy mivoaka etsy amin’ny RNM sy ny TVM Anosy, raha ny loharanom-baovao iray ihany. Mihorohoro, araka izany, ireo mpiasa ary manaitra ny sain’ny manampahefana ambony kokoa noho ny minisitra satria manaratsy endrika ny filoham-pirenena sy ny fitondram-panjakana ny zavatra tahaka izao, ary tsy mety ihany koa ny miasa ao anatin’ny fitaintainana, hoy izy ireo. Nametraka fanamby ny amin’ny hanatsarana ny haino aman-jerim-panjakana moa ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo, ka mety tafiditra ao anatin’izany tokoa ve izao zava-mitranga izao sa inona no tena tanjona ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.