Ny afo no maty teny Ankorondrano, tamin’ny hain-trano nitranga tao amin’ny tranoben’ny STOI misy foiben-toeran’ny televiziona tsy miankina I-BC, fa nisy pitiny nandrehitra afo teo amin’ny samy mpanao gazety.
Vaky ambatolampy mihitsy ny raharaha rehefa nentin’ity fahitalavitra tsy miankina ity tamin’ny fampahalalam-baovaony ny harivan’ny sabotsy 30 janoary 2016. Nivoaka tao anatin’izany, fa nisy fifanakalozana serasera miafina teo amina samy mpanao gazety tao amin’ity televiziona tsy miankina ity sy Didi Ratsimbazafy, mpanao gazety amina gazety an-tsoratra mpivoaka isan’andro eto Antananarivo, nahiahiana ho ao ambadik’iny hain-trano iny. Nitondra ny raharaha teny amin’ny mpitandro ny filaminana ny I-BC, nahatsiaro ho afa-baraka noho ny vaovao nivoaka ihany koa ny an-kilany ka nitory. Samy nampiantso mpanao gazety hanazava ny zava-misy ny an-daniny sy ny an-kilany. Nanao fanelanelanana ny Holafitry ny mpanao gazety, nampifanatona ny roa tonta omaly alahady. Hita ny marimaritra iraisana, nifandamina ny roa tonta ary dia samy nisintona ny fitoriany avy. Nifandray tanana ny tompon’ny I-BC Manankasina Raobelina sy ny mpanao gazety Didi Ratsimbazafy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.