Fa miverina indray ve ny « lundi noir » sa ahoana ? Io no resaky ny olona teny Ankorondrano,
Alarobia sy Ivandry ary Antanimena omaly raha nahita ity setroka mainty be nivoaka avy ao amin’ny village des jeux Ankorondrano. Rehefa natonina akaiky dia hita fa misy lelafo efa ho 5 metatra midedaka be avy ao amin’ny orinasa Sicma. Tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva teo no nitrangan’izany taorian’ny fipoahana somary mahery vaika ihany izay ren’ny rehetra teny amin’ny manodidina. Nifofofofo mafy ny rivotra ka vetivety dia nivelatra ny afo, akora simika sy entana isan-kazany no notahirizina tao amin’ity orinasa ity ka vao miha nampahazo vahana ny afo izany. Anisan’ny niharam-boina ihany koa ny haino aman-jery IB-C izay nanana ny foibeny tao amin’ity toerana ity. Raha ny fantatra anefa dia afaka nibata ny fitaovana ihany ireo mpiasan’ity haino aman-jery ity. Ny mpamonjy voina avy eo Tsaralalana sy Ankorondrano ary ny avy eny Ivato no nifanampy namono ny afo. Goavana ny fahavoazana fa tsy nisy kosa ny naratra na ny namoy ny ainy. Voalaza moa fa ankoson’aratra na « court circuit » no nahatonga ny firehetana. Ho hita eo ny mety ho tohin’ny fanadihadiana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.